Fandraisan’ny FJKM-Gland anjara tamin’ny hetsika POLO Synodamparitany

Araka ny fanentanana nampitain’ny Synodamparitany dia nanohana ny hetsika « POLO » notanterahin’ny Synodamparitany isika teto amin’ny FJKM-Gland Fahasoavana tamin’ny 24 septambra 2021 lasa teo.

26 no isan’ny « polo » lafo ho an’ny olon-dehibe ary 2 no an’ny ankizy (15 eur ny sandan’ny « polo » an’ny olon-dehibe iray ary 10 eur ny sandan’ny « polo » ho an’ny ankizy iray). Mitentina 410 eur noho izany no fandraisana anjara ataontsika hanohanana ny Synodamparitany.

Efa voaray aty an-toerana ireo « polo » ireo koa aza misalasala isika manatona ny tompon’andraikitra amin’izany: Ramatoa Miora ANDRIAMASINORO sy Hasina MAHEFASOA.

Izao fandraisana anjara izao dia solon’ny hetsika mahazatra tanterahin’ny Synodamparitany isan-taona. Tsy azo natao moa izy io tamin’ity taona ity noho ny antony COVID.

Mankasitraka hatrany antsika mpiara-mivavaka amin’ny fanohanantsika asan’ny fiangonana izay misy antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.