Fanasàna fanokafana ny faha-10 taona FJKM Strasbourg Famonjena

« Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerana masina anie Izy » (Sal 20,2a)

Fifaliana ho anay eto amin’ny FJKM Strasbourg Famonjena ny mampahafantatra anareo, fa hotanterahina ny Sabotsy faha-19 Novambra 2022 ho avy izao, ny fanokafana ny fankalazana ny faha- folo taonan’ny Fiangonana.

Amin’ny 10 ora maraina no hanomboka ny fanompoam-pivavahana fanokafana. Ao aorian ́izay dia hisy fiaraha-misakafo ho fanohanana ny ezaky ny komity amin’ny fanatrarana ny tsangambaton’ny faha-folo taona. Araka izany, dia hisy tapakila fandraisana anjara ho amin’izany sakafo izany (entrée- plat-dessert). Nofaritana ho 20 euros isan’olona izany ho an’ny lehibe, ary 10 euros ho an’ny ankizy latsaky ny 10 taona. Hisy koa ny fivarotana sakafo maivana sy rano fisotro samihafa.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *