Fametrahana tomponandraikitra FJKM

Fanompoam-pivavahana sy fanolorana ireo olomboafidy

Notanterahina ny Alahady 17 Oktobra 2021 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Fanompoam-pivavahana  fanolorana sy ho fitondrana amam-bavaka ireo  tomponandraikitra vaovao  voafidy  ho amin’ny Taom-piasana 2021-2025 ;

Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy BMF

Nitoriteny :  Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, Filohan’ny FJKM .

Fintin’ny Toriteny : (MATIO 22 :1-14)

1-Manasa ny olona rehetra hiditra amin’ny  fanjakany Andriamanitra

2-Mety hisy anefa amin’ireo tafiditra no horoahana, satria

3-Misy ny fepetran’Andriamanitra : ny antson’Andriamanitra dia malalaka fa tsy gaboraraka

ASA VAVOLOMBELONA :

Fametrahana tomponandraikitra :

Notarihan’ny Mpitandrina RABEVITA Saina , Filohan’ny Synoda XIX , izay natao tany Sambava, ny fanolorana sy fandraisan-tànana ireo olomboafidy . Mialohan’izany no namakiana ny anarany sy ny andraikiny avy :

-Dr IRAKO ANdriamahazosoa Ammi , Mpitandrina  , Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM

-Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy Mpitandrina ,BMF

-Andriamatoa RAZARASOA Timoty , Filoha Manampy Laika ,BMF

-Ramatoa RANDRIANJA Voahangy , Mpitahiry vola  ,BMF

-Andriamatoa RAKOTOBE  RAJAOMANJATO Dodaherisoa ,Mpitandrina ,Mpanolon-tsaina, BMF

-Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri , Mpanolo-tsaina Laika, BMF

Natolotra ireo BMF tamin’io fotoana io koa ny Rakitsoratry ny SYNODA LEHIBE, fitaovana enti-miasa mandritra ny taom-piasana  vaovao indray. Taorian’izay dia novakiana ny anaran’ireo olomboafidy ho Mpiandraikitra Foibe 100 mianadahy, ka ny 50 Mpitandrina ary ny 50 Laika  sy Mpampianatra.

Ny Filohan’ny FJKM kosa taorian’izay no nanolotra ireo Mpanatanteraka  vao voafidy tao anatin’ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe. Tsy iza izany fa ny :

Sekretera Jeneralin’ny Foibe FJKM, ny Mpit RAKOTONDRAINY Jaona

Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : ny Mpit  ROBSON  RADOLALAINA Johary

Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly  FOIBE FJKM : Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina

-Tonian ’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola FOIBE FJKM : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa

Natolotra tamin’izany fotoana izany koa ny Mpikambana FiFaMpi, FiFa Fi, ny mpandinibola FOIBE FJKM . Notolorana fisaorana sy fankasitrahana feno ireo Birao SLXIX, ny vaomieran’ny fifidianana, ireo BMF teo aloha , ny MF teo aloha ,ny SJ teo aloha .Notsipihan’ny Filoha tsara fa ny  olona mifandimby toerana dia tsy mpifahavalo fa mpiara-mitantana anatin’ny ’ny toepanahy feno firahalahiana . Nitodika tamin’ireo Ray amandreny ara-panjakana vory lanina tamin’io  fotoana io  koa ny Filoha ka naneho ny fifalian’ny fiangonana noho ny fanotronan’izy ireo  izao fotoan-dehibe izao .Vahoaka iray ihany no hiarahana hampandrosoana , kanefa na izany aza aoka tsy hatao  fitaovana politika ny fiangonana FJKM.

VINAN’NY FILOHAN’ny FJKM

Tarigetra : Mbola ho firenena kristiana ihany ny firenena Malagasy ny taona 2118 .

Teny faneva : « Miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15.58b

Vina : « Vontosy Filazantsara i Madagasikara ,Filazantsara manova ny tantara »

« Communes »  407 no nokasaina  hanorenana Vondron’olona mpiara-mivavaka (VOM) , fa araka ny tatitra voaray dia 467 no isan’ny voatsangana nandritra iny taom-piasana lasa iny  , miampy fokontany 39.Manampy ireo ny VOM tany Moroni Comores, Seychelles, Canada …

Hery manova ny tantara ny Filazantsara .Hamafisina orina ny fitoriana ny Filazantsara ,ho tarazon’ny FJKM manomboka izao ny  fisian’ny atao hoe : « Herinandron’ny fianakaviana » . Atsangana ny « vaomieran’ny fananana », ny sampandraharahan’ny « fampamokarana » . Sekoly 111 vaovao no ezahana  aorina mandritra ny efatra taona , ka ny FPMP tsirairay dia hanorina trano sekoly 1/Taona . Aparitaka ny Boky « Soratra masina iainana manerana ny Sekoly FJKM »  . Hovitaina ny trano roa  nohavaozina any Imerimandroso Ambatondrazaka . FJKM mafy orina amin’ny fitantanana . Hatsaraina ny « Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao » (AFIFAB). Atsangana ny TV Fahazavana , ny Hopitaly FJKM, MFEE any amin’ny SP miisa 37 mahakasika ny fambolena hazo fihinamboa .Ampidirina amin’ny taranja ampianarina any amin’ny seham-pitaizana FJKM ny fandalana ny fahamarinana handresena ny tsy fahamarinana , ny fitiava-tanindrazana,  ny fikajiana ny tontolo iainana  .

Nanentana ny Fiangonana hatrany ny Filohan’ny  FJKM fa rehefa mivavaka ny fiangonana  dia asehon’Andriamanitra ny Voninahiny.

Ho an’Andriamanitra iery ny Voninahitra

Nangonin-dRtoa SAHONDRAMALALA Vololona