Famaranana fankalazana faha-15 taona

Ry havana,

Ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taona ny fiangonantsika FJKM Gland Fahasoavana, dia ho atao ny volana Jona 2023 ho avy izao. Koa ho fanamarihana izany dia hisy ny fotoan-dehibe izay ahafantsika manasa ireo mpiray nivavaka rehetra nanomboka tamin’ny taona 2007 ka hatramin’izao.

Manasa antsika mpiangona ankehitriny, hanentana ireo namantsika rehetra izay efa nandalo teto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana ho tonga maro amin’io fotoana io.

Misaotra mialoha antsika rehetra.