Faha 5 taona niorenan’ny FJKM Filadelfia MEAUX.

FANKALAZANA AN’ANDRIAMANITRA noho ny faha 5 taona niorenan’ny FJKM Filadelfia MEAUX.

Tanteraka soa aman-tsara ny fankalazana an’ANdriamanitra noho ny faha 5 taona niorenan’ny Fiangonana FJKM Filadelfia MEAUX, tamin’ny Asabotsy 14 May 2022 lasa teo. Ny Teny faneva sady soratra masina niompanan’ny fotoam-bavaka rehetra dia ny Heb 10: 39 manao hoe “Fa isika tsy naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy. Nitarika ny fanompoam-pivavahana moa dia ny Mpitandrina mitondra izany fitandremana izany ihany , Andriamatoa MAHANDRY TIANDRAY Mpitandrina ary nitondra ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra kosa dia Andriamatoa RAHOLIARISON Yves Mpitandrina Filohan’ny Synodam-paritany SPVFA  37. Narahin’ny lanonana sy hira ara-pilazantsara ary fiaraha-misakafo moa ny fotoana avy eo. Izay tena nampiavaka ny fiangonana tamin’izao dimy taona izao dia ny fisian’ny mpanompon’Andriamanitra manana fanomezam-pahasoavana manokana momba ny zava-maneno. Maro karazana ny zava-maneno hain’ny mpino ny mampiasa azy ary niainana nandritra izany fankalazana ny faha 5 taona izany moa izy ireny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *