Faha-15 taona FJKM Peniela

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SYNODAMPARITANY VATOFEHIZORO AMPITANDRANOMASINA FAHA-37
FITANDREMANA : PENIELA FITIAVANA

« Tsy hianareo no nifidy ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary mba haharetan’ny vokatrareo » (Jao 15: 16 a)

Ho an’ny Fiangonana sy ny VOMM rehetra eto amin’ny Synodam-paritany VFA 37

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo!

Fifaliana ho anay ny manasa anareo amin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny nanokanana ny Fiangonana FJKM Peniela Fitiavana.

Noho izany dia hisy fanompoam-pivavahana, izay hatao ny alakamisy 18 mey 2023, Andro Niakarana, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ao amin’ny Centre Pastoral de la Paix, 208 Bd Henri Barbusse, 91210 DRAVEIL.

Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia manasa olona 2 avy aminareo hiara-hisakafo sy hidera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny rindran-kira ara-pilazantsara.

Ny tsangambaton’ny fankalazana moa dia ny fanafarana sy ny fahatongavan’ny Mpitandrina raikitra ary ny fanokanana ny Sampanasa sy Sampana rehetra.

Araka ny tapaky ny Mpandray Fanasan’ny Tompo, noho izany ezaka fanafarana Mpitandrina izany moa dia hisy ny fandraisana anjara 20 euros ho an’ny lehibe, ary 10 euros ho an’ny ankizy. Dia mankasitraka anareo amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny Fiangonana ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.

Dia manantena ny fahatongavanareo ary manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho aminareo hatrany!

Ny Mpitandrina Mpiahy
RANDRIAMAHAZAKA Selasoa                                 

Ny Mpitantsoratra
RAJOEL Annick

Joinville, 28 aprily 2023