« Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe : Ry Samoela, ry Samoela ô ! Dia namaly Samoela hoe : Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao » (1Samoela 3.10)
Ry havana malala ao amin’Ny Tompo,
Maneke ho iraka nefa henoy aloha ny antson’ny Tompo.
Tsy afaka manaiky sy manatanteraka ny irakin’ny Tompo isika raha tsy mahafantatra ny iraka ampanaoviny antsika.
Tsy mahafantatra anefa isika raha tsy mihaino ny Tompo aloha.
Hoy ny teny ao amin’ny 1 Samoela 3.10 hoe : « Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe : Ry Samoela, ry Samoela ô ! Dia namaly Samoela hoe: «Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao».
Andriamanitra dia miteny amintsika, tsy amin’ny fahitana intsony, fa amin’ny Soratra Masiana izay miteny amin’ny tsirairay.
Aoka ho vakintsika izany tahaka ny hoe ho antsika manokana. Aoka ho tahafintsika ny nataon’i Samoela isaky ny manokatra ny Baiboly isika : « mitenena Jehovah o, fa mihaino ny mpanomponao.
Tsy mijanona hatreo anefa, tsy maintsy vonona hanatanteraka izany tenenin’ny Tompo : « Manaiky ho iraka ny mpino ».
Hiteny tahaka an’i Saoly (tonga Paoly), rehefa niova fo izy (Asa 22.10) : «Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko ? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao».
Henoy ary ny antson’ny Tompo, vakio ny sitrapony ao amin’ny Baiboly, ary maneke ho irany. Amen.
Mirana RAZANAKOTO
Membre de la commission Communication de la FJKM-Gland Fahasoavana
