Alakamisy sy Zoma AMZP

Hisaorana ny Tompo ny nahafahana nanantanteraka ny alakamisy masina 2023. Ny Zarampifaliana no nikarakara ny antsam-panahy izay nandraisan’ny antoko-mpihira avy amin’ny fiangonana rahavavy sy ny STK anjara koa.

Nisy tamin’izany ny hira tamin’ny teny malagasy, frantsay ary anglisy, nahafinaritra tokoa ary nampiseho ny fahafahana midera ny Tompo amin’ny teny maro karazany.

Ny « apres-culte » tamin’izany fotoana izany dia natolotry ny Zarampifaliana.

Manatanteraka fihaonana isaky ny herinandro ny Antoko Mpihira Zarampifaliana.
Fianaran-kira no tanterahina amin’izany.

Faly mandray anao izahay ary aza misalasala manatona ireto tompon’andraikitra ireto:
Adiresy Birao: bureauamzp@fjkm-gland.ch, +(41)79 817 30 63

  • Ranaivo RAZAKANIRINA
  • Iony RABEMANANTSOA
  • Clarah ANDRIANJAKA