Alahady fankasitrahana ny Mpitandrina Lalaina RAJAONAH

Ho tanterahina ny alahady 28 janoary 2024 ho avy izao ny alahady fankasitrahana ny Mpitandrina Lalaina RAJAONAH.

Ny fanompoam-pivavahana hiderana an’Andriamanitra dia hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro toy ny mahazatra ao Gland. Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hisy ny fiarahana misakafo ao amin’ny Salle paroissiale ao Gland.

Ny fandaminana momba ny fiarahana misakafo dia ampitaina antsika aoriana.

Amin’ny anaran’ny Biraom-piangonana