Alahadin’ny STK FJKM

I. FANENTANANA

Aza adino ry STK fa ny Alahady 12 Jolay ho avy izao no Alahady hitondrantsika am-bavaka ny STK FJKM sy handrotsahantsika ny rakitra mankaty amin’ny STK Foibe.

II. FIHAONAMBE NASIONALY STK

Efa akaiky ny Fihaonambe Nasionaly STK, noho izany :

Aza adino ny mitondra am-bavaka hatrany :• Ny Birao Foibe• Ireo Komity• Ny fiomanantsika isam-pitandremana

Efa mandeha ny famandrihana trano any Nosy Be.

Ny Alatsinainy 24 Aogositra 2026 dia efa hanomboka ny lalao ara-panatanjahantena (Football Lahy sy Vavy).

Faran’ny volana Jona izao no fara-fisoratana anarana ho an’izay handeha miaraka amin’ilay fiara karakarain’ny STK Foibe, koa aza tara oo.

Ny faran’ny volana Jolay kosa no :• Fandraisana ny lisitry ny SP rehetra handray anjara amin’ny fifaninanana• Fara-fandrotsahana ireo adidy rehetra mankaty amin’ny Foibe :* Adidy Foibe 2026* Adidy Jobily Mpandraharaha* Adidy amin’ny fifaninanana

Tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifaninanana Soratra Masina avokoa ny Synodamparitany rehetra.

Raha azo atao dia tongava aloha hatrany mankany Nosy Be mba tsy hitohana be ny fiara sy ny olona eo amin’ny Seranan-tsambo Ankify.

Tsarovy ry STK fa handeha hanao Fizahantany Ara-pilazantsara isika any Nosy Be Hell-Ville amin’ny alalan’ny fihaonambe, ka hitory sy hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

« Mita mankaty Makedonia ka vonjeo izahay. »(Asa 16:9b)

Ho an’izay rehetra maniry handeha any amin’ireo nosy manodidina an’i Nosy Be dia aza misalasala miantso an’i Tonia STK Foibe :

034 54 837 35Samia hotahian’ny Tompo

🌿

« STK Voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara »

Jaona 15:16

Source: Sampana Tanora Kristiana FJKM – Ofisialy