Alahady 7 aogositra 2022: Alahady fahavalo manaraka ny Trinite
Alahady 14 aogositra 2022: Alahady fahasivy manaraka ny Trinite
Alahadin’ny KFTM (Maritiora)
Ny KFTM dia azo alavaina hoe: Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Maritiora.
Hanatanteraka ny hetsika « DIAN’IREO MARITIORA » ny FJKM amin’ny sabotsy 13 aogositra 2022 ho avy izao.
“Fa ny olona izay mahalala an’Andriamanitra kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy” (Dan 11 : 32b).
Hahafantaranao ny tantaran’ ireo Maritiora sady fijoroana vavolombelon’ ny Filazantsara dia toy izao ny fandaharana:
Sabotsy 13 Aogositra 2022
- 08h30: FJKM Faravohitra
- Fanompoam-pivavahana fanombohana
- Mihazo ny FJKM Ambatonakanga
- Manohy mihazo ny FJKM Amboninampamarinana
- Mihazo ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy
- Fanompoam-pivavahana famaranana
Hisy fampahafantarana ny tantaran’ ireo Maritiora isaky ny Fiangonana lalovana.
Alahady 21 aogositra 2022: Alahady fahafolo manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Aumônerie Nationale
Alahady 28 aogositra 2022: Alahady XI manaraka ny Trinite
Alahadin’ny AKAFITA
Ny AKAFITA dia azo alavaina hoe: AKANY FIALOFANA TANGAINA.
Sehatra mikarakara ny kamboty na « orphelinat » ny AKAFITA.