15 taona: ivon’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny FJKM Gland Fahasoavana

« Finoana – Fahasoavana – Fitoriana« 

Tiana ny mampatsiahy antsika fa amin’ny krismasy izao no fotoana ivon’ny fankalazana ny faha15 taona ny fiangonana. Toy izao ny fandaharam-potoana:

  • 10 ora maraina: fanompoam-pivavahana eto Gland. Hisy ny fotoanan’ny sampana mandritra ny fanompoam-pivavahana koa entanina ny sampana rehetra mba hanomana hetsika, manana 10 min avy ny sampana.
  • 2 ora tolakandro: Fiarahana misakafo any Saint-Gervais ao Genève. Ho mariky ny firaisantsika dia repas canadien no hataontsika ka samy mitondra entrée, vary sy laoka ary voankazo ny fianakaviana tsirairay. Hisy kosa « bûche de Noël » hifampizarantsika mianakavy.

Entanina ihany koa ny sampana hanomana hetsika mandritra ny fotoana fisakafoana.
Raha misy ray aman-dreny maniry ny hanao batisa ny zanany amin’ny Krismasy dia iangaviana izy ireo hanatona ny Biraompiangonana sy ny Mpitandrina mpiahy, Past Lalaina Rajaonah.
Mba hahafahana manomana tsara ny fandaminana rehetra dia hisy tompon’andraikitra hanatona antsika handray ny anarana sy ny isan’ny olona ho avy amin’io fiaraha-misakafo amin’ny krismasy io.

Ny komity faha-15 taona