15 taona: Hetsika Erick Manana / Fisaorana ny fiangonana

Isaorana an’Andriamanitra ry havana fa tanteraka soa aman-tsara ny hetsika notanterahin’ny fiangonana tamin’ny faha 27-n’ny volana aogositra lasa teo. Iny hetsika iny no fitadiavam-bola faharoa anatin’ny taona notanterahin’ny fiangonana.

Tena afa-po tokoa ireo vahiny nasaina sy  ireo mpanakanto tonga nanafana ny fotoana. Ho ampitaina amintsika aoriana moa ny vokatra azo tamin’izany.

Tiana kosa anefa ny mampita amin’ny anaran’ny Biraon’ny fiangonana ny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny fiangonana iray manontolo izay niara-nientana naha-tomombana iny fotoana iny.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.