15 taona: Fifaninanana logo sy hira faneva

Finoana – Fahasoavana – Fitoriana

« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana,… koa mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ». Efe 2:8a, Mar 16:15.

Ireo teny faneva ireo no entintsika hankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny Fiangonana.

Ambara ihany koa fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana logo sy hira faneva miompana amin’izany teny faneva izany: Finoana – Fahasoavana – Fitoriana

Manentana avy hatrany ireo manan-talenta handray anjara amin’izany.

Toy izao avy ny andinindininy momba ny fifaninanana:

  • Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana
  • Momba ny logo:
    • Ny loko ampiasaina dia ny mavo sy manga araka ny loko amin’ny logo-n’ny fiangonana. Azo ampiasaina ihany koa ny mainty sy ny fotsy.
    • Rohy fitsipika logo : https://bit.ly/3kBVCqy
  • Momba ny hira faneva:
    • Misy andininy telo ary fiverenana. Marisika, mihetsiketsika. Ny andininy voalohany dia momba ny finoana, ny faharoa momba ny fahasoavana ary ny fahatelo momba ny fitoriana.
    • Rohy fitsipiky hira faneva : https://bit.ly/39CiKmM

Alefa any amin’ny adiresy bureauk15@fjkm-gland.ch ny sangan’asa.

Ny logo dia ny zoma 20 may no farany handraisana azy, ny hira faneva dia ny talata 31 may no farany handraisana azy.

Ny alahady 22 may dia ny mpandray no hisafidy ny logo avy amin’ireo logo roa voalohany izay nosafidian’ny komity faha-15 taona.

Aseho sy hiraina mandritra ny fanokafana amin’ny alahady 12 jona 2022 ny logo sy ny hira faneva.

Ny Komity faha-15 taona