15 taona: Fanolorana loka

Notanterahina tamin’ny alahady 12 febroary 2023 lasa teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana sary famantarana sy hira faneva.

Ny nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny sary famantarana dia Ramatoa ANDRIAMIHAJA Onintsoa Ravaka Niaina

Ny nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny hira faneva dia Andriamatoa RANDRIAMAVO Richard (noho ny fihavanana dia natolotra ihany ako an-dRamatoa ANDRIAMIHAJA Onintsoa Ravaka ny loka).

Isaorana an’Andriamanitra noho ny talenta natolony ireo mpifaninana ireo ary koa misaotra ireo mpifaninana izay tsy nikely soroka fa nanolotra feno ny talentan’izy ireo ho fampandrosoana ny fiangonana amin’ny sehatry ny faha-15 taona.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.