Vaovaon’ny Dorkasy

Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny 13 Febroary 2022 ny fivoriam-ben’ny sampana Dorkasy nifidianana ny solontena hoan’ny komity faha-XV taonan’ny Fitandremana. Ny fifidianana toy izany moa dia tsy maintsy atao mifanatritava (présentiel).

Ny fianarana Soratra Masina farany dia tamin’ny sabotsy 19 Febroary 2022 tamin’ny 8 ora alina tamin’ny zoom niaraka amin’ny Ray aman-dreny mpitandrina.