Vaovao avy amin’ny Antoko Mpihira Zarampifaliana

Fisaorana

Misaotra an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fikarakarana ny alakamisy masina izay niarahana tamin’ny fiangonana sy ireo antoko mpihira avy amin’ny fiangonana malagasy eto Suisse sy Frantsa manodidina.

Mampita ny fisaorana manokana antsika fiangonana nanaiky ny hanatanteraka izany amin’ny endriny manokana dia ny zoom sy livestream ary ny toriteny an-kira “virtuel”. Nahafahana nampifandray ireo antoko mpihira sy ny toriteny tamin’ny endriny hafa iny fotoana iny.

Misaotra indrindra ihany koa tamin’ny fitondranareo am-bavaka.

Fianaran-kira

Manatanteraka fihaonana isaky ny herinandro ny Antoko Mpihira Zarampifaliana.
Fianaran-kira no tanterahina amin’izany.

Ny fihaonana dia isaky ny alahady, amin’ny 8 ora alina, amin’ny zoom
https://zoom.us/j/92027094817

Faly mandray anao izahay ary aza misalasala manatona ireto tompon’andraikitra ireto:
Adiresy Birao: bureauamzp@fjkm-gland.ch, 079 817 30 63

  • Ranaivo RAZAKANIRINA
  • Iony RABEMANANTSOA
  • Clarah ANDRIANJAKA