ALAHADIN’NY SLK – 09 NOVAMBRA 2025
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny Alahadiny SLK Gland tamin’ny 09 novambra 2025 lasa teo. Nisy ny:
- Hira niarahan’ny SLK sy fitondrana ambavaka ny sampana
- Fanentanana mpikambana vaovao
- Conférence ara-pahasalamana
- Fivarotana barquettes ho fanampiana ny sampana
KRISMASY 2026 SLDOR
Tontosa soa aman-tsara ny seho fankalazana ny Krismasy 2026 niarahana tamin’ny firaisan’ny Sampana ny Alarobia 24 Desambra 2025 tolakandro.

FIFAMPIARAHABANA TAONA VAOVAO 2026 SLDOR
Ho tanterahina any 51 route de la Tuilière 74930 Scientrier (Vero sy Hery) ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2026. Araka ny tetikandron’ny Fiangonana dia iarahana amin’ny Sampana Dorkasy izany. Fa ny hampiavaka azy dia hasaina ihany koa ny fiangonana rehetra eto amin’ny FJKM Gland ho tonga ny amin’izany.
Ny fotoana fahatongavana dia amin’ny 10h30-11h00. Hisy ny fanantenana maro samihafa, kilalao isan-karazany, sns.
Am-pitiavana no anoloran’ny tompon-trano ny vary masaka, ny fitaovana fihinanana ary ny gouter. Ny rehetra kosa dia samy mitondra sakafo hafa sy sahaza hifampizarana.
