Noho ny voina nitranga tany Madagasikara noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia manao antso ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina 37 ny amin’ny hanatanterahana tolo-tanana. Entanina noho izany ny Kristiana tsirairay, ny Fiangonana, ny Sampana sy Sampan’asa, ny Fikambanana rehetra eo anivon’ny FJKM hifanome tànana.
Indro ampitaina amintsika ny taratasy avy amin’ny Foibe FJKM. Araka ny fanentanan’ny Synodamparitany dia notanterahina ny alahady 1 martsa 2026 lasa teo ny fanompoam-pivavahana fiombonana nentina nanatanteraka rakitra manokana ho an’ny traboina teto amin’ny faritra misy ny FJKM Gland Fahasoavana.
Fanazavana fanampiny: bureau@fjkm-gland.ch


