Tolo-tànana hampodiana ny nofo mangatsiakan’i TSIVERIARIANA Isabelle Hanitra

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpihevidraharaha dia hanao tolo-tànana hampodiana ny nofo mangatsiakan’i TSIVERIARIANA Isabelle Hanitra isika. Fanentanana avy amin’ny Maso ivoho sy ny AMES izy io. Koa entanina isika mpiara-mivavaka amin’izany.

Hanatanteraka rakitra faharoa isika mandritra ny fanompoam-pivavahana amin’ny 7 febroary sy 28 febroary ho avy izao. Vola mitentina 100.-chf no hanampian’ny fiangonana ireo rakitra faharoa voaray etsy ambony ireo.

Isika izay tsy afaka manatrika ireo fanompoam-pivavahana dia indro ny kaonty ahafahanareo manatanteraka izany tolo-tànana izany.

Kaonty:
FJKM-Gland
CH45 0900 0000 1078 6585 8
Asio fanamarihana : « Tolo-tanana Isabelle + Ny anaranao ».

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Fitandremana