Teny fisaorana avy amin’ny ONIFRA

Miarahaba antsika Birao sy ny Fiangonana FJKM Gland Suisse mahatratra izao fisaorana an’Andriamanitra noho ny faha 15 taona nijoroany izao.

Ny Tompo Jesoa hampamirapiratra hatrany ny voninahiny aminareo, hahefa be amin’ny teny sy ny asa. Dia ho Fiangonana mahataona fanahin’ny olona ho an’i Jesoa hatrany isika.

Dia mivavaka ho anareo, tompoko, hahajoro amin’ny finoana ao anatin’izao fihemorana ara-panahy toa mitady handrendrika izao.

Misaotra ny amin’ny Tsangambaton’ny faha 15 taona, izay fananganana siteweb an’ny Oniversity FJKM RAVELOJAONA OniFRa . Fitaovam-piasana lehibe tokoa io ho fampahafantarana sy fanelezana ny asan’ny OniFRa eran-tany.

Dia mirary fety feno fahasoavan’ny Tompo, eto am-panolorana ny Mandrapihaona ao Aminy.