Ny solontenan’ny SLK ho amin’ny komity faha-15 taonan’ny fiangonana dia :
- Ionja RASOLONIAINA
- Fetimamy RAKOTOMAHANINA
Ny fihaonana voalohany mifanatrika tanterahan’ny SLK amin’ity taona 2022 ity dia ho tanterahana ny Asabotsy 09 avril ho avy izao any Vallée de Joux, ao antokatranon’i Tsiry sy Landy.
Fiarahana miaraka amin’ny vady aman janaka io ary samy mitondra ny sakafo sahaza. Koa entanina isika rehetra mba ho tonga amin’izany. Manomboka amin’ny 11 ora atoandro ny fotoana. Aoka koa samy hifanentana.
Faly mampahafantra antsika koa ny sampana fa amin’ny Alahady 08 may 2022 no alahadin’ny SLK. Mangataka ny fitondrantsika am-bavaka hatrany ny sampana sy an’izany andro mihavaka izany.