Tatitra ofisialy: Synoda SP 37 1 sy 2 novambre 2025

« Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » ( I Kor 15 : 58 d)

TATITRY NY Fivorian’ny KOMITY LEHIBE 2024-2028

Sabotsy 1 novambra 2025.

Alte Schmiede 1-12, 72555 Metzingen Stuttgart,

Germany ( Motorworld village Stuttgart), @ 10 ora alina-12 ora sy sasany alina

Mitarika : Ireo biraon’ny SP VFA 37

  • Atoa Zarazaka Jean Louis, Mpit, Filoha
  • Atoa Razakanirina Ranaivo Mahaleo, Filoha mpanampy
  • Rtoa Randriamahazaka Selasoa, Mpit, mpitantsoratry ny fivoriana
  • Rtoa Razafindramboa Zolinirina, mpitahirivola
  • Atoa  Rakotonarivo  Mandresy  Mahavalisoa, mpitantsoratry ny vola
  • Atoa Rahandrifenosoa Tahina, Mpit, mpanolotsaina

Lahadinika sy famintinana:

1.TATITRA SY FAMPAHAFANTARANA

1.1.Tatitry ny fivoriana teo aloha 

1.2. Tatitry ny asa vita ( 2 martsa- 30 oktobra 2025)

1.3. Fampahafantarana samihafa

  • Momba ny Fiangonana
    • Fampahafantarana: hisy ny fivoriana “tripartite” eo @ FPMA, FLM, FJKM 
    • Misokatra sy miara-miasa amin’ny Fiangonana aty an-toerana ( Malagasy sy Eoropeana)
    • Nisy ny fampirantiana natao tany @ Synoda Lehibe izay isaorana antsika Fiangonana sy Sampana izay nandefa ny sary.
    • Nalefa any @ Foibe ny tatitra samihafa momba ny Fiangonana nangatahana tamitsika
  • Momba ny mpiasa
    • Fandraisana mpiasa vaovao voatendry  (efa tany aloha fa izao vao tonga) : Razafindrasata Rova Samoelina, Mpitandrina
    • Rabearison Hanta Lalasoa, Mpitandrina, nirahina hiahy ny FJKM Nantes Fanantenana 
    • Andriamihaja Lanto, Mpitandrina tonga manohy fianarana : Master any @ Université Bonn
    • Razafindrakotofanjarivelo Perle Raymonde : Mpitandrina tonga manohy fianarana ao Allemagne
  • Momba ny vola
    • Foibe : karatra « kristiana mahafoy »: nisy ny nahavita ka efa nandrotsaka, manentana izay mbola tsy nahavita
    • Nisy taratasy tolotanana momba ny fitsaboana ny Mpitandrina Razafiarisoa Juliette, Talen’ny TPM Ivato : nisy ny nahavita ka efa nandrotsaka dia isaorana be dia be, manentana izay mbola tsy nahavita

1.4. Tatitry ny mpandinibola 

2. RAHAHARA HANAPAHAN-KEVITRA 

2.1. Momba ny Fiangonana  

  • Herinandro masina : Misy ny fandaminana vaovao izay tapaky ny MD ary neken’ny KL: atao faritra 3 ny alakamisy masina (faritra afovoany, avaratra, andrefana), samy manao fanompoam-pivavahana ny Fiangonana amin’ny andro hafa. 
  • Fanokanana Fiangonana: Neken’ny MD ary nankatoavin’ny KL ny hanokanana ho Fiangonana FJKM ny Vomm Bayern, Vomm Luxembourg amin’ny taona 2026

2.2. Momba ny mpiasa

Fanendrena sy fanirahana 

  • Tendrena ho Mpitandrina raikitra ao ny Mpitandrina Rajaonah Lalaina (nisy taratasy fangatahana Mpitandrina avy amin’ny FJKM Peniela Fitiavana ( 20 oktobra 2025).
  • Irahina ho mpiahy ny FJKM Rennes Laval sy Brest i Pst Razafinarivo Andriatsilavina Nofy

2.3. Momba ny vola : tetibola 2026

Tatitry ny mpandinibola ( toe-bola janoary hatramin’ny septambra 2025) (cf. tahirin-kevitra mipaingotra)

  • Notanterahin’ Atoa Tovo Razafimahefa sy Atoa Rakotoalisoa ny tatitra ara-bola
  • Neken’ny MD ny tatitry ny mpandinibola ary nankatoavin’ny KL.

Fanolorana ny tetibola 2026 (cf. tahirin-kevitra mipaingotra)

  • nolaniana ny tetibola 2026 izay notapahin’ny MD
  • marihina fa tsy niova ny adidy aloan’ny isam-pitandremana

3. FIFIDIANANA

  • Fifidianana mpandinibola
    • Ireo lany mpandinibola : AtoaRanarisoa Nivoary, AtoaRakotoalisoa Nirina, Atoa Razafimahefa Tovo, Atoa Ratsifandrihamanana Nivoson

Toe-bolan’ny Synaodaparitany VFA37 amin’ny daty 30/09/2025

  • Totaly vola niditra 30/9/2025: 28 304.56 Euros
  • Totaly vola nivoaka 30/9/2025: 26 195.92 Euros
  • Ny sisa antanana 30/9/2025: 2 108.64 Euros
  • Vola tao banky « LCL » 1/1/2025: 19 318.01 Euros
  • Tao kitampo-bola 1/1/2025: 147.70 Euros

Solde 30/9/2025: 21 574.35 Euros

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!