Notanterahina tany Taolagnaro, ny 13 ka hatramin’ny 20 aogositra lasa teo, tao amin’ny FJKM Salema Vaovao, ny Synoda Lehibe faha-XX. Ny Synoda Lehibe (SL) no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra eo amin’ny FJKM ary ny SL no manapaka ny vina ho tanterahina mandritra ny efa-taona manaraka (2025-2029).
Toy izao amin’ny ankapobeny ny endriky ny fandaharam-potoana notanterahina tany an-toerana:
- Nisy ny fanompoam-pivavahana fanombohana
- Isan’andro dia misy ny maraim-baovao sy ny fanompoam-pivavahana
- Fifidianana ireo Biraon’ny Synoda Lehibe
- Fanatanterahana ny tatitra avy amin’ireo Komity teo amin’ny Mpiandraikitra Foibe (MF) am-perinasa
- Nisy ihany koa ireo famelabelaran-kevitra notanterahina:
- Momba ny calvinisme
- Momba ny fikojakojana ny tontolo iainana
- Momba ny fahaizana mitantana.
- Nidirana ireo asan’ny vaomiera izay mijery akaiky ireo vina mandritra ny 4 taona. Ireto avy ireo vaomiera natsangana tamin’izany:
- Vaomiera momba ny Fiangonana
- Vaomiera fanitsiana Foto-dalana sy Fitsipika
- Vaomiera momba ny Sekoly
- Vaomiera momba ny fiainam-pirenena
- Vaomiera momba ny mpiasa sy ny vola
- Vaomiera momba ny fampamokarana sy ny fananana.
- Fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fifidianana
- Niditra tamin’ny fanapahan-kevitra “pléniaire” avy amin’ny asan’ny vaomiera tsirairay avy.
- Nanatanteraka ireo fifidianana rehetra: MF Mpitandrina, MF Laika, MF Mpampianatra (nisy hatrany ny fihodinana voalohany sy faharoa), fifidianana MF solontena Synodamparitany, Fifidianana ny Filohan’ny FJKM, Fifidianana ireo Biraon’ny MF.
- Nofarananana tamin’ny fanompoam-pivavahana famaranana izany.
Nisy teo amin’ny 540 teo ireo mpandray anjara tamin’izany Synoda Lehibe izany.
Santionan-tsary vitsivitsy: