Isaorana an’Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny sabotsy 31 janoary 2026 lasa teo ny fiarahabana tratry ny taona ny Filohan’ny Synodamparitany, Ny Mpitandrina Zarazaka Jean Louis, ary ny fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2026 an’ny Synodamparitany.
Hotanterahina isaky ny sabotsy farany amin’ny volana janoary amin’ny taona izany fotoana izany.
Maro ny fandaharam-potoana satria nisy fivoriana in-telo misesy notanterahina ny marainan’ny sabotsy. Ny fivorian’ny Mpihevidraharaha Synodamparitany dia notanterahina tamin’ny 8 ora maraina, ny fivorian’ny Komity Lehiben’ny Synodamparitany dia tamin’ny 11 ora maraina ary ny fivorian’ny SaAFF (Sampan’asa Asa Fitoriana ny Filazantsara) dia notanterahina tamin’ny 1 ora tolakandro.
Nandritra ireo fivoriana ireo no nankatoavana ny tatitra ara-bola 2025 navoakan’ny Mpandinim-bola.
Nandritra ny fivorian’ny SaAFF dia notanterahina ny fanavaozana ny Biraon’ny SaAFF eto amin’ny Synodamparitany.
Indro ihany koa sary vitsivitsy nandravaka ny tontolo andro.










