Save the date – Hetsika SP37, 7 martsa 2026

TONGAVA MARO AMIN’NY 7 MARTSA 2026 !!!

FIOMBONANA

Ireo teny tsotra ireo no hanentanana antsika rehetra. Ny Fiombonana no lohahevitry ny Hetsiky ny SP37 amin’ity taona 2026 ity.

Anatin’ny fandaharam-potoana ny fampianarana, ny kolontsaina, ny hira sy dihy, ny tanora, ny antoko mpihira. Tsy hadinoina ihany koa ny sakafo vary sy laoka amin’ny barquette.

Koa entanina isika rehetra hiombona sy hanohana. Marihina fa vola mitentina eo amin’ny 15000 EUR eo no eritreretin’ny Synodamparitany ho voaangona.

Fanazavana fanampiny: bureau@fjkm-gland.ch