Sary Zara-pahasoavana : STK

Fotoana ara-panahy STK (tsy mifanatri-tava)
Mitohy hatrany ny fotoana ara-panahy an’ny STK izay hitondran’i Pst. Micaël fampianarana sy hiarahana manao rojom-bavaka.
📅 Isaky ny alarobia faharoa ny volana
💻 ny rohy 👇


Sary sy fisaorana Zara-pahasoavana

« Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana »

Galatiana 6 : 10

Ry havana,

Ny Birao sy ny Mpikambana STK (Sampana Tanora Kristianina) eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana dia misaotra an’Andriamanitra lehibe noho ny nahafahana nanatanteraka ny « Zarampahasoavana » tamin’ny alahady 29 septambra lasa teo tao Saint Gervais.
Misaotra :

  • Ireo Mpitandrina
  • Ny Biraom-piangonana
  • Ny tsirairay tonga sy ianareo rehetra nitondra am-bavaka.

Misaotra tamin’ny fizarana, mankasitraka niara-paly sy namerina indray ireo kilalao fahiny.
Andriamanitra anie hampitombo ny fifankatiavana anatintsika dia samia tahian’ny Tompo.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra .

Amin’ny anaran’ny Birao sy ny Mpikambana