[Retour] Fanokafana Jobily faha-25 taona naha-mpitandrina an’i Pr. Zarazaka sy Pr. Andry (2 mars 2025)

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 25 taona naha Mpitandrina an’i Pasteur Andry Christian Andriamialy sy Pasteur Jean-Louis Zarazaka dia nisy ny fotoam pivavahana izay natao tany Paris ny alahady 02 martsa lasa teo.

Ny maraina tamin’ny 9 ora dia tao amin’ny FJKM Kanana Fiadanana (Bagneaux-sur-Loing) no notanterahina ny fotoam-pivavahana fanokafana ny Jobily faha-25 taona naha Mpitandrina an’i Pasteur Andry Christian Andriamialy mivady. Afaka averina jerena amin’ny rohy Facebook ny fotoam-pivavahana tamin’io .

Ny antoandro kosa tamin’ny 3 ora hariva dia tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Paris (Cachan) no nankalazaina ny fotoam-pivavahana fanokafana ny Jobily faha-25 taona naha Mpitandrina an’i Pasteur Jean-Louis Zarazaka mivady.

Ny Filohan’ny FJKM, Rev. Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, no nitondra ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo fotoam-pivavahana roa ireo.

Nisy solotenan’ny Fiangonana FJKM Gland Fahasoavana avokoa tamin’ireo fotoana ireo. Mankasitraka tamin’ny fiarahantsika nientana tao anatin’ny fifankatiavana nandritra ireo fotoan dehibe ireo fa “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia” Jaona 13: 35

Ho Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.