Rafitra FJKM – Ny Synoda Lehibe (tohiny)

Miisa telo (3) ny Ambaratongan-drafitry ny FJKM dia ireto avy, miainga amin’ny fototra (and. 160 FDF):

  • Ny Fitandremana
  • Ny Synodamparitany
  • Ny Synoda Lehibe

Ny Synoda Lehibe no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra eo amin’ny FJKM. Anisan’ny manatrika sy manapa-kevitra eo anivon’ny Synoda Lehibe ireo solontena isaky ny Synodamparitany. Ho antsika eto amin’ny FJKM-Gland Fahasoavana dia ny solontena voafidy avy amin’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina (SP37) no manatrika ny Synoda Lehibe.

Misy Ambaratongam-pitondrana telo (3) isaky ny Ambaratongan-drafitra.

Ao amin’ny Synoda Lehibe dia misy ireto Ambaratongam-pitondrana telo (3) ireto (and. 161 FDF):

Isaky ny efa-taona no mivory ny Synoda Lehibe. Amin’ity taona 2025 ity dia ho tanterahina any Fort-Dauphin ny Fivorian’ny Synoda Lehibe faha-XX, ary raisin’ny FJKM Bazarikely Fort-Dauphin (SP07), ny 13-20 Aogositra 2025 ho avy izao.

Ny Synoda Lehibe no mifidy ireo ho Mpiandraikitra Foibe, ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe ary ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe izay Filohan’ny FJKM.

Misy Vaomiera atsangana mandritra ny Fivorian’ny Synoda Lehibe ary ny Fivoriana fanapahan-kevitra no mandany ny volavolan-kevitra izay aroson’ny Vaomiera.

RRM