Filazana mariazy
“ C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère et s’attachera à sa femme et ils deviendront une seule chair” Genèse 2: 24
Randriamanamidona Larry Andriniaina, fils de Andrianaivo Emmanuel et Ramanitra Vololona Ratiaray et
Andrianaivoson Fitahianjanahary Tanya, fille de Andrianaivoson Herilanto Jimmy et Rakotomalala Ravelonjanahary Rondro ont le plaisir de vous convier à la bénédiction de leur mariage qui se tiendra le vendredi 27 septembre 2024 à 16h à Marseillan en France.
Ny Biraom-piangonana FJKM Gland Fahasoavana dia miarahaba ireo mpivady vao ary mirary tokontrano sambatra eo ambany fitarihan’Andriamanitra.
************************************************************************
Fanasana Fjkm Nantes Fanantenana
Noho ny asa fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa kristy dia manomana Gala ny Fjkm Nantes Fanantenana ny sabotsy 5 oktobra 2024 izao izay hiventesana ny lohahevitra hoe: “ Ao anatin’ny fihavaozana, mifalia” Isa65:17; Rom12:12
Miendrika “Dîner dansant” ny hetsika ka manomboka amin’ny 18h30 hariva ao amin’ny Salle Bonnaire ao Nantes.
Fifaliana ho azy ireo ihany koa ny manasa solotena 2 avy amintsika hanatrika io fotoan-dehibe io ho fandraisana anjara. “ Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany” Heb6:10
Ny filohan’ny Komity: Atoa Tony Randriamora
Ny departemanta fifandraisana: Atoa Heriniaina Ratsirarson
************************************************************************
Fanokanana ny VOMM Freiburg(Allemagne) ho FJKM Freiburg Fiderana
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fitarihany nandritra izay 7 taona nisian’ny Vondron’olona mpiara-mivavaka ao Freiburg izay dia tonga ny fotoana fanokanana azy ireo ho FJKM Freiburg Fiderana, ny asabotsy 26 oktobra 2024 amin’ny 11 ora maraina.
Fifaliana ho azy ireo arak’izany ny manasa antsika amin’ny fanompoam-pivavahana eo ambany fitarihan’ny filoha sy ny biraon’ny SP37, hanomezam-boninahitra sy fankalazana an’Andriamanitra.
Aorian’ny fotoana dia faly manasa olona 2 avy amintsika izy ireo hiara-paly amin’ny alalan’ny sakafo iombonana.
Fotoana farany fandefasana ny valiteny: Alatsinainy 30 septambra 2024
Manantena ny fahatongavantsika ary mankasitraka sahady ny amin’ny fiombonantsika amin’izany.
Ny mpitantsoratra: Rtoa Eloïse Razafindrabe
Ny Mpitandrina Tahina Rahandrifenosoa