Hira maro avy amin’ny Zarampifaliana

Kaonseritra hiarahina amin’ny EERV ho an’ny fandriam-pahalemana any Ukraine

Ny antoko mpihira Zarampifaliana dia manasa antsika hanatrika ny kaonseritra manokana ho an’ny fandriam-pahalemana any Ukraine izay karakarain’izy ireo miaraka amin’ny antoko mpihira eto Gland ny alahady 10 aprily 2022, amin’ny 6 na 7 ora alina (aorian’ny fanompoam-pivavahantsika). Eto amin’ny Temple de Gland ihany no hotanterahina ny fotoana. Ny vola voaangona amin’io fotoana io dia  hatolotra ho an’ny ONG miasa any Ukraine.

Herinandro Masina 2022

Eo am-pibanjinana ny Paska dia faly manasa antsika hatrany ny antoko mpihira hanatrika ny kaonseritra ataon’izy ireo ny alakamisy masina ao Gland sy ny hetsika ny zoma masina any Berne.

Komity faha-15 taonan’ny FJKM Gland Fahasoavana

Ny solontenan’ny Zarampifaliana amin’ny komity 15è dia i Ravaka ANDRIAMIHAJA