Tanteraka soa aman-tsara tany Mortefontiane en Thelle (toerana avaratr’i Paris) ny Hetsika 2022 notanterahin’ny Synodamparitany. Maro dia maro ny vahiny tonga namaly ny antso. Nakotrokotroka ny lanonana. Noravahin’ireo sampana, fiangonana, VOMM (Vondrom-bavaka), mpitandrina tamin’ny hira, mozika ary tononkalo ny fotoana. Tsaroana manokana amin’izany ireo dihy sy mozika notanterahin’ny sampana STK ary ny hira notanterahin’ny Sekoly Alahady.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Synodamparitany, Yves RAHOLIARISON, Mpitandrina, tamin’ny lahateny nataony teo am-piandohana ny maha zava-dehibe ny fiombonana tahaka ny tanterahina ankehitriny. Koa zava-dehibe tokoa ny fiarahana mientana sy ny fanotronana ny fotoana toy ny Hetsika SP37. Solontena sivy isika FJKM-Gland no nanatrika ny fotoana.
Mampita ny fisaorana ny FJKM-Gland iray manontolo tamin’ny fandraisana anjara mavitrika tamin’izany hetsika izany. Misaotra manokana ireo solontena afaka tonga nanatrika tany an-toerana.
Indro atolotra antsika mpiara-mivavaka eto amin’ny FJKM-Gland ny santionan-tsara voaray tamin’io fotoana io.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.