Anatin’ny vanimpotoanan’ny Karemy, izay hiomanana amin’ny Paska isika ankehitriny.
Toy izao ny fandaharam-potoana Herinandro Masina mba ahafahantsika miomana amin’izany:
- Alatsinainy 14 aprily 2025 ka hatramin’ny alarobia 16 aprily 2025, 8 ora alina: Fanompoam-pivavahana ampitain-davitra
- Alakamisy 17 aprily 2025: 7 ora sy sasany alina, Alakamisy Masina izay hisy Antsam-panahy iarahana amin’ny antoko mpihira avy amin’ny fiangonana rahavavy eto Suisse sy ny manodidina ary entanin’ny Zarampifaliana. Hisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
- Zoma 18 aprily 2025: 7 ora sy sasany alina, Zoma Masina izay hisy Antsam-panahy tanterahin’ny STK FJKM-Gland
- Alahady 20 aprily 2025: 2 ora tolakandro. Paska, hisy fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Manomboka amin’ity taona ity noho izany dia hisy ny Antsam-panahy tanterahin’ny STK isaky ny Zoma masina.