Dia mba taomy re ny hafa
Izay variana, tsy miraika
Sao heverin’izy ireny
Ho haitraitra fotsiny ihany
Izato vinantsika izato
Fa na isika tena handeha
Hanao mpianatra tokoa,
hankato an’i Jesoa
dia ho hitantsika marina
ny fombàny mahagaga
ho voninahitry ny Anarany;
na isika hamihin-tanana
eo an-tratra fotsiny ihany
dia hihanaka izaitsizy,
mihoatra noho ny ankehitriny,
izao faharatsiana rehetra izao:
ny fahalovana mandoza,
ny habibiana tsy hay lazaina,
ny fahantrana mahatsiravina!
Fa i JESOA dia te hamonjy
An’i Madagasikara
Ka izaho sy ianao Fiangonany
No baikoiny mba handeha,
tsy hangataka andro intsony
fa hirotsaka avy hatrany
hampisy heviny sy tsirony
ny famonjena izay nataony
amin’ny isan’androm-piainan’
ny Malagasy namantsika!
Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara!
IRAKO AMMI
21 aprily 2021
www.fjkm.mg