HAFATRA SY TONOM-BAVAKA PENTEKOSTA AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FJKM
Hoy i JESOA : “Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema, sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany” (Asa 1 : 8)
Ry FANAHY Mpampahery,
hitanao ny topatopan’
alon-drano misy anay,
mampirepirepy saina,
mahaketraka ny hery
ao anatin’olo-maro;
indraindray toa mahakivy,
mampiraviravy tanana,
na dia ireo mahery fo
te hikoro hatranihatrany!
Hitanao ny fitsapana
mahamay, mivaivay,
isedrana ny finoana
sy ny fijoroan’ny mpino,
ny Fiangonanao mihitsy;
Nefa soa fa eo Ianao,
mampahery lalandava
sy manorina ny toky
ao anaty fo mangina,
hijoroana tsy hivena
n’ino-n’inona tafiotra
sy ny rivotra mahery
mifofofofo te handavo,
mifofofofo te handrava!
Feno toky hatrany ihany
satria, ‘zay miaraka Aminao
tsy mba avelanao ho irery,
tsy mba diso zava-tsoa,
fa toloranao ny hery
hanompoana Anao hatrany,
amin-kira, fiderana!
Eny, Tompo, feno toky,
feno toky ny fanahy
tafatoetra eo Aminao!
Amena.
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina Filohan’ny FJKM (Mey 2021)