Isaorana an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara ny fotoanan’ny Synodamparitany tamin’ny sabotsy 11 janoary 2025 lasa teo.
Ireto avy ny fandaharam-potoana notanterahina tamin’izany:
- Ny maraina dia fivoriana voalohany notanterahin’ireo Mpihevi-draharahan’ny Synodamparitany vaovao voafidy mandritra ny taom-piasana 2024 – 2028
- Ny tolakandro dia fanompoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2025 ary koa nitondrana am-bavaka manokana ny Filohan’ny Synodamparitany mianakavy. Notarihin’ny Biraon’ny Synodamparitany ny fotoana.
Ny loha-hevitra nobanjinina nandritra ny fanompoam-pivavahana dia « Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra ». Ny toriteny dia nalaina tao amin’ny II Tantara 20: 6b: « ary eo an-tananao ny hery sy fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao ».
COMCOM