
Alahady 3 jolay 2022: Alahady fahatelo manaraka ny Trinite
Alahady 10 jolay 2022: Alahady fahaefatra manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Sampana Tanora Kristiana
Alahady 17 jolay 2022: Alahady fahadimy manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Sampana Fivondronana Laika
I- NY SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA (S.F.L) eo amin’ny FJKM :
Tsy fitoriana ny Soratra Masina ara-bakiteny fotsiny no ilaina amin’ny fampivelarana ny olombelona fa ampiharina amin’ny alalan’ny ASA samihafa ny fiambonian’ny « fahasoavan’Andriamanitra » ka tanterahina amin’ny fanambarana ny herin’ny kristianina rehetra, hiara-hiasa amim-pinoana.
Ireo foto-kevitra ireo no nahatonga ny Synoda faha-IV natao teto Antananarivo tao amin’ny Kolejy Rasalama ny 5 – 14 Oktobra 1978, nanaiky ny hijoroan’ny rafitra izay nantsoina hoe : “FIVONDRONANA LAIKA KRISTIANINA” (FLK) ary notokanana ny Alahady 28 Janoary 1979 tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, tao aorian’ny Zaikabe natao ny 26 – 28 Janoary.
Ankehitriny dia efa niova ho S.F.L, ny anarany na Sampana Fivondronana Laika. Izy no SAMPANA faha VI eo anivon’ny F.J.KM.
Nahoana no natao hoe : “Fivondronana” izy, satria sehatra iray ivondronan’ny olona rehetra tsy ankanavaka ao anatin’ny Fiangonana, izay vonona hiara-hiasa amin’ny alalan’ny talenta sy fanomezam-pahasoavana samihafa eo amin’ny isam-batan’olona izy.
- Ny LAIKA : dia ilay voalaza ao amin’ny IPet 2 :9 hoe “Taranaka voafidy, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany” ary vahoakan’Andriamanitra mampihatra ny Soratra Masina amin’ny lafim-piainany rehetra.
- Ny Laika dia vahoakan’Andriamanitra manaiky iraka.
- Ny Laika dia kristianina mampiasa ny talentany hampandrosoana ny finoana.
- Ny laika dia mijoro ho vavolombelona amin’ny ASA, eo amin’ny sehatra sy fotoana misy azy.
- Ny Laika dia hery velona sy manan-danja amin’ny fanehoana fa velona ny Tompo eo amin’ny tany ama-monina sy ny Firenena ary izao tontolo izao.
- Ny laika dia manamafy ny tenin’I Paoly apostoly hoe : “lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho.”
- Ny Laika dia vavolombelona amin’ny ASA ataony eo anatrehan’izao tontolo izao.
- Ny Laika dia fiasana eo am-pelatanan’ny Fiangonana ho fitoriana ny Filazantsaran’I Kristy ary vavolombelon’ny Kristy, hampandroso ny Fiangonana eo ami’ny fanomezam-pahasoavana samihafa ananany.
II- NY ZAVA-KENDRENY :
Hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba :
- Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana.
- Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana.
- Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ny asa’ny Fiangonana.
- Handroso amin’ny Ekiominisme.
- Hampiroborobo ny fiainam-bahoala sy ny fiaraha-monina.
- Fanambeazana eo amin’ny lafiny rehetra.
- Fanarenana ny madilana tokony ho tetenana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana.
Source: https://fjkmisotryfitiavana.org/
Alahady 24 jolay 2022: Alahady fahaenina manaraka ny Trinite
Alahady 31 jolay 2022: Alahady fahafito manaraka ny Trinite
TPM sy IFRP