2 janoary 2022: Alahadin’ny EPIFANIA
9 janoary 2022: Alahady I manaraka ny EPIFANIA
16 janoary 2022: Alahady II manaraka ny EPIFANIA
23 janoary 2022: Alahadin’ny FFKM
Alahady III manaraka ny EPIFANIA
Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM)
Fitambaran’ireo Fiangonana zokiny efatra ara-tantara eto Madagasikara, ao anatin’izany ny :
- ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM
- ny Eglizy Katolika Apostolika Romana na EKAR
- ny Loterana Malagasy na FLM
- ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM).
Ny taona 1980 no niorenany ary niainga tamin’ny Tenin’Andriamanitra manao hoe : « mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy », ary talohan’izay ny hoe : « Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra »Jaona 17 : 2 1 (DIEM) heverina fa ny fanatanterahana izany no antoky ny fananganana ny FFKM . Efa nisy tamin’ny taona 1948 ny « Conseil Œcuménique des Eglises du monde » . Ny tanjona tamin’izany ny fananganana ny Ekiominisma eto Madagasikara. Misy araka izany ny rafitra eo anivon’ny FFKM, toy ny fivorian’ny Zaikabe na « Assemblée générale » izay tanterahana isaky ny efatra taona, misy koa ny Komity foibe mivory isan-taona , ny Birao Foibe, izay misy solontena roa isaky ny fiangonana (Mpitondra fivavahana sy Laika).
Ahitana sampanasa valo ao anatin’ny FFKM : Ny Sampanasa Ekiominika momban’ny Fampianarana (SEFA), Sampanasa Ekiominika momba ny fampitam-baovao (SEFAB),Sampanasa Ekiominika momba ny fampandrosoana (SEFamP), Sampanasa Ekiomenika momba ny Fiainam-Pirenena (SEFiP) , Sampanasa Ekiominika momba ny Teolojia (SET), Sampanasa Ekiominika momba ny Tanora (SETa), Sampanasa Ekiominika momban’ny toeram-panofanana Teolojia (SETO) ary ny Sampanasa Ekiominika ny Vehivavy Kristiana (SeVKri). Manana ny Toniany ny FFKM, izay mpitondra fivavahana, izy no mandrindra ny fifandraisana amin’ireo sampanasa ireo sy mikarakara ny fifandraisana amin’ny FFKM faritany sy FFKM firaisana ary FFKM fototra.