FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana Desambra 2021

5 desambra 2021: Advento II

12 desambra 2021:
Alahadin’ny Sekoly Alahady, Advento III

19 desambra 2021: Advento IV

25 desambra 2021: Krismasy

26 desambra 2021: Alahadin’ny SEFALA

Ny SEFALA, na SEkoly FAnomanana LAika dia sekoly fanofanana ireo laika ho Mpitoriteny, Mpiandry sy ho Katekista. Ito alahady ito no entina hitondrana am-bavaka manokana izany sekoly izany eo anivon’ny FJKM manerantany.

Misy SEFALA eo anivon’ny Synodamparitany SP37 misy antsika FJKM-Gland Fahasoavana. Maharitra roa taona ny fiofanana ho Mpitoriteny sy Mpiandry ary telo taona ny fiofanana ho Katekista.

Entintsika miombona anatin’izany fitondrana am-bavaka ny SEFALA izany dia misy fanompoam-pivavahana ny FJKM-Gland ny alahady 26 desambra 2021, 2 ora tolakandro, Temple de Gland.