FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana aprily 2022

Alahady 3 aprily 2022: Karemy V

Alahady 13 martsa 2022: Karemy II

Alahady 10 aprily 2022: Alahadin’ny Sampandrofia

Alakamisy 14 aprily 2022: Alakamisy Masina

Zoma 15 aprily 2022: Zoma Masina

Alahady 17 aprily 2022: PASKA

Alahady 24 aprily 2022: Asa TOPAZA

Ny TOPAZA na TObim-PAnarenana ZAza na ny TOPAZA/FJKM dia iray amin’ny asa sosialy iandraikitan’ny Foibe FJKM. Ny TOPAZA izay miaina ny teny fanevany hatrany ampiandohana sy ho voizina amin’izao Jobily izao, arak’izay voarakitra ao amin’ny Genesisy 21, 18 : “Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy”.

Tamin’ny taona 1944 no niorenany tao amin’ny “Station missionnaire Fihaonana Vonizongo”, ao anatin’ny Synodamparitany Vonizongo Vavolombelona, fa tamin’ny taona 1980 kosa dia nikisaka ao Ambohipotsy, tanana mifanila tamin’ny kolejy Pastoraly fahiny izy.

Araka ny anarana entiny dia najoro ny TOPAZA ho toerana anabeazana ireo zaza kamboty sy tsy misy mpiahy.

www.fjkm.mg