FJKM – Hafatry ny filoha Mey 2023

HAFATRA ANDRO NIAKARANA

Ry havana malala,

Miarahaba antsika omen’ny Tompo izao Andro firavoravoana lehiben’ny ANDRO NIAKARANA izao, izay ahatsiarovantsika ny niakaran’I JESOA KRISTY Tompontsika tany an-danitra, 40 andro
taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka anafarana antsika hoe:

« katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.2 Salno ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany! »

Tsy maintsy ambara fa toa hadinodinon’ny sasany amintsika ny maha zava-dehibe ity ANDRO NIAKARANA ity noho izy tsy mba andro Alahady. Kanefa ny maha andro andavanandro azy dia tsy tokony hanamaivanantsika azy mihitsy; ny fanjakana aza efa nanao azy ho andro tsy fiasana mba hahafahantsika mivavaka hiaina izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra hoe:

« katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany! »

Ny tantaran’ny famonjena manko dia toy ny fiarakodia iray misy kodiarana efatra, dia ny Krismasy, ny Paska, ny Andro Niakarana ary ny Pentekosta. Mifameno tanteraka ireo:

  • tamin’ny KRISMASY dia tonga nofo teto an-tany hamonjy antsika olombelona mpanota tamin’ny alalan’I JESOA Andriamanitra;
  • tamin’ny PASKA dia maty sy nitsangana tamin’ny maty ho fanatanterahana izany famonjena izany i JESOA ;
  • tamin’ny ANDRO NIAKARANA dia niakatra ho any an-danitra hanokatra ny lanitra hidiran’izay rehetra mandray ny famonjena nataony I JESOA,
  • tamin’ny PENTEKOSTA dia nandatsaka ny FANAHY MASINA ho tombo-kasen’ny olom-boavonjy sy ho fanafiana hery azy hijoroany ho vavolombelon’ny famonjena vitany Andriamanitra Ray sy i JESOA!

Koa tena zava-dehibe ny niakaran’I JESOA ho any an-danitra hanatanterahany ilay fampanantenany hoe:

 » 2 Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia
efa nilaza taminareo Aho; fa handcha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » (Jao.14,2-3)

Koa na inona na inona lalovantsika ety an-tany, tandremo sao variana amin’ny fifalian’ny tany, na ny fahorian’ny tany, na ny volan’ny tany, na ny voninahitry ny tany, na ny fahefan’ny tany, dia ho voan’ny tamberin-tany; ka hanadino ny hafatra hoe:

« katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-
tany. »(Kol.3,1-2)

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY! Amen.

Faravohitra, Andro Niakarana Mey 2023
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM

HAFATRA PENTEKOSTA 2023