FJKM – Hafatry ny Filoha

Tena vina makadiry
Izany vinantsika izany,
saingy izao no tadidio:
tsy voatery hiandry ny hafa,
na ny maro ana isa ianao
vao hihetsika hanatratra
izany vinantsika izany.
Fa manomboka amintsika
Isam-batan’olona avy
Ny fanavaozam-pirenena
Raha ianao fotsiny aza
No manda ny kolikoly
Sy mandresy fahalovana
Amin’ny toera-misy anao,
Dia efa zavatra tokoa
Aza atao hoe: inona iny,
Voam-pasika ankiray
eny amoron-dranomasina?!
Tsia, fa tena zavatra iny,
satria tsarovy fa ny voa
kely bitika entin-drivotra,
iny ange no lasa hazo
kininina mijoalajoala e!
Ka ny fihetsika madinika,
mendri-kaja vitanao,
tsy hahoraka an-gazety,
nefa hitan’Andriamanitra
ary hitahiany anao,
fa tsy very maina akory!
Koa mahereza ianao, Sakaiza:

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO AMMI