FJKM – Hafatry ny Filoha

Ry Fiangonan’i Jesoa
Dia i Jesoa Kristy
Eto Madagasikara!
Ka aza araraka amin-tany
Ny ilo mby an-dohanao.
Fa ianao, tsarovy tsara,
No nomen’Ilay Tsitoha
Izany vina soa izany.
Eny, avy taminao
No nahalalan’ny firenena
Sy fiangonana rehetra
Izay manerana ny Nosy
Izany vina ambony izany.
Koa mahereza izato izy,
Aza ketraka mihitsy,
Sao ianao izay voalohany
No ho sanatria ho farany,
Hosongonan’olon-kafa
Amin’ny hazakazakao.
Fa efa hita marimarina
Ary re hatraizahatraiza
Fa ny hafa dia nandray
Ny vinantsika ho azy koa.
Isaorana ny Tompo izany
Fa Fanahy iray ihany
No manentana ny mpino:

HAMONTO FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO AMMI