FJKM – Hafatra

HAFATRA NOHO NY FAHA 57 TAONAN’NY FJKM

(18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2075)

« Endrey ny halalin’ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13). Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay Amena.» (Rom 11,33-36)

Arababaina lanao, ry FJKM, nomen’ Andriamanitra taona 57 nijoroana, noho ny lalany toy azo fantarinal « Izy tokoa anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen. » Inona no hafatra ho anao?

Hoy ny TOMPO:
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao » (Isa 43. 18-19)

Indro, Izaho efa hanao zava-baovao: Zava-baovao hihoarana ny tsy fifankatiavana, ny fifanaratsiana, ny fifanavakavahana na ara-poko na ara-piaviana, na ara-tsaranga: ka hanongotana ny faka-mangidin’ny fihatsarambelatsihy ary hamelana hiroborobo kosa ny fanahin’ny firahalahiana kristiana mahasarika sy ny fifandraisan’ny mpiraitampo ao amin’ i Kristy hahasintona ny hafa!

Hoy ny TOMPO:
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao. » (Isa. 43.18-19)

Zava-baovao handravana ny mandan’ny fitiavam-bola fototry ny ratsy rehetra, ka anararaotana пу toerana tazonina hoenti- mangoron-karena tsy ara-drariny, na dia asan’ Andriamanitra aza no atao, fa mba hiorina kosa ny tilikambon’ny fahamarinana ho tazan’ny firenena sy izao tontolo izao tsy mino, ka hitsiriritany ny fahamarinan’ny Kristiana hitsirian’ny faniriany hanaraka antsika koa

Hoy ny TOMPO:
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao.» (Isa. 43.18-19)

Zava-baovao ljoroana tsy hanekena ho voahidy ao amin’ny tranomaizin’ny lasa ka ihodinkodinana toy ny olona voan’ny tamberin-tanin’ny vahaolana efa hita fa tsy mahomby, fa mba hibanjina hoavy vaovao, fomba fisaina vaovao, hialana amin’ny fiziriziriana amin’ny hevitra amam-pomba tsy mampandroso!

Hoy ny TOMPO:
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha . Indro, Izaho efa hanao zava-baovao.» (Isa. 43.18-19)

Zava-baovao manome herim- panahy vaovao hanohizana ny Hazakazaka Masina, ka tsy hanadinoina ny volivarin’ny Fiangonana, hamonto Filazantsara an’ i Madagasikara. Fa tsy ampy ny manorina trano Fiangonana, Fiangonana olona no miakatra any an-danitra.Tsy ampy ny mianina amin’ny efa vita, fa ny faran’ny tany no fetran’ny Tompo

Hoy ny TOMPO:
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao.» (Isa. 43.18-19)

Zava- baovao anapahana tarangana ny gejan’ny fanompoan-tsampy ka tena hiorenana amin’ i JESOA KRISTY ho Tompo tokana na dia hamoizana ny fomban-drazana hita miharihary fa mifanohitra amin’ ny Filazantsara aza ka tsy isika no hianatra ny fiaraha-monina tsy manana an’ i Kristy, fa ny fiaraha-mоninа по hanahaka antsika.

Hoy ny TOMPO :
« Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha indro, Izaho efa hanao zava-baovao.» (Isa. 43.18-19)

Dia hiverina any andoharano isika, fony vao teraka ny FJKM, ka ny Tenin Andriamanitra niteraka azy dia ny hoe: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra (Apo 21.5) Eny, ny hoavin’ ny FJKM dia hiankina betsaka amin’ny faneken’ izao taranaka misy antsika izao hihavao, tsy handraraka ilo mby an- doha, tsy ho sodokan’ ny ezaka efa vita. Fa bitika ihany ny vita raha mitaha amin’ny goavana mbola hoefaina. Ny Fanahy Masina anie hitarika, ny fahasoavana anie hiara- miasa. Dia hamiraparatra mihoatra ny tamin’ny llasa ny voninahitr’ Andriamanitra, handrosi fatratra ny Fiangonana, hitombo ny olom- bonjena

Ry FJKM o, Hoy ny TOMPO aminao
«Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha Indro, Izaho efa hanao zava- baovao.» (Isa 43. 18-19)

Ary eto ampamaranana ry havana malala, iombonako ny tenin’ ny apostoly Paoly ho an’ ny loholona tany Efesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20. 25-32. Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ràny. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’alina tamin’ny ranomaso. Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina.

HO VONINAHITR’ ANDRIAMANITRA IRERY IHANY! Amena

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Taolagnaro 18 Aogositra 2025