Ampitaina amintsika ankehitriny ny fampatsiahivana ireo fivoriana atrehina eo anivon’ny FJKM. Ireto avy izy ireo:
- Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe (MF), 14-21 Aprily 2021
- Synoda Lehibe any Sambava, 11-18 Aogositra 2021
Fivoriana MF 09/ SLXVIII: 14-21 Aprily 2021
Ny fivoriana ara- potoana fahasivy ny Mpiandraikitra Foibe FJKM dia hatao eny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA, amin’ny Alarobia 14 Aprily ka hatramin’ny Alarobia 21 Aprily 2021. Raha sitrapon’Andriamanitra ka tsy misy fepetra vaovao holazain’ny fanjakana noho ny valanaretina . Manomboka amin’ny 8 ora 30 maraina ny fotoana amin’ny Alarobia 14 Aprily 2021.
Ianareo izay tsy manan-kivantanana dia iangaviana hilaza mialoha amin’ny Sekretaria Jeneraly mba hahafahana manomana ny toerana hivantananareo.Raha misy ny tsy fahafahana hanatrika ny fivoriantsika dia aoka mba hampandre mialoha
“ aoka isika hifampidinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.” (Hebreo 10:24)
Synoda Lehibe any Sambava, 11-18 Aogositra 2021
Ho ampitaina amintsika aoriana ny andinindininy amin’ny fandaminana. Saika natao tamin’ny taona 2020 ny Synoda Lehibe fa ahemotra amin’ity taona 2021 ity noho ny antony ara-pahasalamana.
Manantitra ihany koa ny andinindininy amin’ny Fitsipika mihoatra ny Synoda Lehibe: “Ny Synoda Lehibe no Ambaratongan-drafitra ambony indrindra ary ny Fivoriany no Ambaratongam-pitondrana ambony indrindra ato amin’ny FJKM”.
Ny mpandray anjara: Fa ireto tanisaina manaraka ireto kosa ireo olona sy sokajin’olona voalazan’ny Fitsipika manatrika ity fivorian’ny Ambaratongam-pitondran’ny Synoda Lehibe ity, araka ny And. 232 hoe: “Ny Fivorian’ny Synoda Lehibe dia fivorian’ny :
- Solontenan’ny Synodamparitany rehetra ao amin’ny FJKM
- Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe amperin’asa
- Sekretera Jeneraly sy ny Tonian’ny Departemanta
- Solontenan’ny Sampana, Sampanasa, Asa mbamin’ny Komity sy Vaomiera ao amin’ny Foiben’ny FJKM
- Ireo Vahiny nasaina”.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.