Notanterahina ny Sabotsy 20 Septambra 2025 lasa teo ny fivoriambe faharoa ny Sampana SLK Gland. Ireto teboka manaraka ireto no anisany nodinihana tamin’izany:
- Fanisana mpikambana
- Fitsipika anatiny
- Tetibola 2026
- Tetikasa 2026
- Fifidianana Vice-président 1 manampy
- Samihafa
Lany tamin’ny fifidianana Vice-président 1 manampy i Heriniaina Randrianatoandro ary miara-miasa miaraka amin’ny Birao SLK mandritran’ny 2024-2028.
Marihina fa nanao cellule de prière sy fampianarana niaraka tamin’ny Sampana Dorkasy ny SLK tamin’io fotoana io, izay niarahana tamin’ny Nivo Chochard sy Pasteure Miora Rasoharinaivo.
