Fitsidihina mpiangona

Anatin’ny fotoana fitsidihina mpiangona tanteraka isika ankehitriny. Ny tanjon’ny fitsidihina dia ahafahana mifanerasera bebe kokoa amintsika mpiangona momba ny fiainan’ny fiangonana. Anatin’ny fitsidihina indrindra koa ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fampaherezana ny fianakaviana mandray.

Koa isika fianakaviana maniry hotsidihina dia aza misalalasa manatona ny Mpitandrina mandritra ny fotoam-pivavahana na koa manoratra amin’ny Birao amin’ny adiresy bureau@fjkm-gland.ch na koa manatona ny Diakona.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana