Fitadiavam-bola entina hanohanana ny fandraisana ny Synodamparitany

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpandray dia hanao fitadiavam-bola telo isika entina hitadiavana ny enti-manana fanampiny amin’ny fandraisana ny Synodamparitany amin’ny volana oktobra izao.

1) CARTE DE DONS: ampitaina amintsika ny 3 sy 10 septambra ary averina ny 10 sy 24 septambra ao am-piangonana ao Gland.

Afaka atao « en ligne » ihany koa ny CARTE DE DONS amin’ny TWINT na amin’ny Facture QR

TWINT – Carte de dons
QR Facture – Carte de dons

2) Fivarotana barquettes: ny volana septambra no maka ny « commande »

3) Rakitra faharoa izay tanterahina amin’ireto daty ireto: 27 aogositra 2023, 10 septambra 2023, 1 oktobra, 22 oktobra

Isaorana manokana antsika amin’ny fanohanana hatrany amin’ny lafiny rehetra ny asan’ny fiangonana. Mangataka antsika ihany koa hitondra am-bavaka ny fikarakarana rehetra.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana