Misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa tamin’ny 24 jona 2023 lasa teo ny Fanompoam-pivavahana Fitondrana am-bavaka ny Firenentsika Malagasy niarahan’ny FFPME. Misaotra antsika tamin’ny fanotronantsika teny an-toerana ihany koa.
Dia mbola manentana antsika Fiangonana sy ny VOMM hanohy izany Fitondrana am-bavaka ny Firenena malagasy sy ny malagasy manontolo izany.
Ho fanohizana ny fiaraha-miasantsika FJKM sy FLM ato anatin’ny FFPME kosa dia ampitaina amintsika FJKM-SP37 eto ambany ito Fanasana voaraintsika ito.
Avy amin’ny:
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY EOROPA
TOBY POURU ST-REMY
«Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy». 1 Korintiana 3 :11
Ny Komity ny Toby Pouru St-Rémy dia faly manasa antsika tsirairay amin’ny Garden-Party izay hatao ny faha 9 ny volana jolay 2023 ho avy izao, amin’ny 2 ora sy sasany. Ny toerana hanaovana izany dia eo amin’ny tanin’ny Toby : 42, Chemin Le Finto 08140 Pouru ST-Rémy.
Ny Garden-Party dia karakaraina mba andraisana anjara amin’ny fanorenana ny Toby Pouru St-Rémy. Fotoana ihany koa hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny asany eto amin’ny fiorenana’ny Toby eto Pouru St Remy, araky ny teny fikasana nomeny tamin’ny taona 1980.
Ho antsika eto an-toerana izay maniry fanazavana misimisy momba izany dia aza misalasala manatona ny Biraompiangonana.