Fiofanan’ny Zarampifaliana niaraka tamin’ny Filoha Mpanampy FJKM

Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny zoma 20 oktobra 2023 lasa teo ny fiofanana notanterahin’ny Zarampifaliana. Ny Filoha Mpanampy FJKM, ANDRIAMPIANINA Zaka Hary Masy no nanatanteraka ny fiofanana. Ny lohahevitra dia ny anjara toeran’ny mozika eo amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana.

Ireto avy ny andinindininy nojerena tao anatin’io lohahevitra io:

  • Ny nanombohan’ny nisian’ny mozika
  • Ny antom-pisian’ny mozika anaty fanompoam-pivavahana
  • Ny anjara toeran’ny zava-maneno ao anaty fanompoam-pivavahana
  • Ny anjara toeran’ny antoko mpihira ao anaty fanompoam-pivavahana

Navoitran’ny Filoha Mpanampy FJKM ny maha-zava-dehibe ny hoe Soli Deo Gloria na Voninahitr’Andriamanitra irery ihany, rehefa manatanteraka asa eo anivon’ny antoko mpihira. Ny Voninahitr’Andriamanitra irery ihany aloha no katsahina voalohany indrindra ary katsahina rehefa manatanteraka fitoriana eo anivon’ny fanompoam-pivavahana. Zava-dehibe ihany koa ny fahafahana miaraka na mampiaraka mihira mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.

Anisan’ny ohatra noraisiny tamin’izany ny teny SDG apetrak’i Johann Sebastien Bach amin’ny hira noforoniny. Izany SDG izany dia midika hoe Soli Deo Gloria hanamarihin’ny mpanoratra fa eo amin’ny asantanany dia ny voninahitr’Andriamanitra no ambony indrindra.

Nofaranana tamin’ny fiarahana misakafo ny fotoana.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Zarampifaliana
Soli Deo Gloria